| lun. | mar. | mer. | jeu. | ven. | sam. | dim. |
|---|---|---|---|---|---|---|
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |
FAMPAFANTARANA ANTSIKA TERAK'I MANDRIDRANO
Ho antsika terak' i Mandridrano dia angatahina hametraka ny adiresiny tamba-jotra hahazahoana mifandray sy mifanome vaovao.
Izay mitambatra dia vato, f' izay misaraka dia fasika. Trano atsimo sy avaratra ny antsika izay tsy mahalen-kialofana. Raha marary hono ny tanana dia mitsoka ny vava, raha marary ny vava dia misafo ny tanana. Ny enta-jaraina mora zaka. Ny tondro tokona hono tsy mahazo hao.
Antony mampandroso ny fiaraha-monina sy ny toe-karenan' ny faritra ny fifandraisana sy ny firaisan-kinan' ny olona tompom-pihaviana.
Azonareo hapetraka amin' ity adiresy eto ambany ity ny adiresy sy izay heverinareo fa tsara ho fantatry mpiray fihaviana sy ny fianakaviana
Ny tompon' andraikitra
DaHoby
KANDAO HIARA HAHITA KANDAO HITAHA
Kandao hiara hahita kandao hitaha
Isika mijery raha mampitaha
Mahita ny lesoka ankehitriny
Amin'ny toetran' ireo fahiny
Raha mitopy maso ka mba mitazana
Ny fanahy madion' izany razana
Dia sento ao am-po re no sesehena
Fa very ny hajan' ny firenena
Ny bika aman' endrika dia mijoro
Fa hay ny maha-olona dia mikoro
Mandrak' izao dia tsy mitraka
Fihatsarambela-tsihy re no mba manjaka
Miantso dia miantso an' i Kristy
Ho pasopaoro hanazava diha
Hay tanimanga sy sarin-dahy
Kandao hiara hahita kandao hitaha.
Rajean Misitera
ITONY OLONA
Misy mantsy itony olona
Dia tena hita miolanolana
Mahita ny hafa lasa ambony
Dia maizim-bolana ny fony
Dia manenjika mifofo
Toa tadio mitora-jofo
He kinga ery inzay vava
Pss pss pss pss
Manaratsy lalandava
Moa rahoviana izany tena
Vao mba hanampahendrena?
Rajean Misitera
KARAJIA : SOTROBE SY MAHARITR' AFO
Ramatoa ramaritr' afo ô, ry mpanjaka vavin' ny vilany.
Faniriako raha tsy misy tsiny, ny hitafa aminao androany.
Tsy misy tsiny akory drematoa tsy mampaninon' ahy mihintsy.
Mazaho aloha enao toerana amin' itsy fantsik' itsy.
Vaobaotra ny lelako, mangovingovitra eny zaho.
Tsy tranobe mangovitr 'aho, na areti-baovao.
Fa mavesa-danja be loatra izay tiko ambarako aminao.
Rasotrobe itony ko lehiretsy, tovolahy ka de kanosa.
Sa kosa hoe noana ê, milaza ny romatsatsok' ao miavosa.
An! an! Ny molotro aza mbola mandina lasopy.
Ny marina dia fanina aho ê, mahita ny endrikao mitopy.
Tiko enao ry maharitr' afo, tiko ho mandrakizay.
Tiko amin' ny mangatsiaka ê, tiko amin' ny mahamay.
Ity resakao rasotrobe tena mila hivoaka tosy.
Aiza moa ireo vahiny no tsy hiantso anao hoe losy.
Ny tsara takotra tsy lany sady be ny kasikasy.
Atao inona ity zaho maharitr' afo vita gasy?
Na vita gasy enao na tsia.
Tiko enao ary ho doria.
Ary zahay tarana-tsotro rehefa tia dia tena tia.
Raha ny tena mendrika anao anie izao dia ireo taranaka "cocotte".
Raha mihoatr' aminao ireo dia tena tsy omeko "note".
Sady mbola be anie ry maharitr' afo ny tena hitako tsy maoty.
Ka raha zaho aloha ny eo amin' ny toeranao ndrematoa rasotrobe.
Ny ahy ny tena laitra no fidiko, vilany vavy "importé".
Fa sady mailaka fiasa no tena kanto raha jerena.
Ny vady anie hono jerijery sady ravakin' ny tena.
"Cocotte minute" ve no tena tianao lazaina?
Ny tera-tany ve tsy ritra dia ireny no halaina.
Sady raha ireny koa ve ry ramaharitr' afo no entin' eny ambany volo.
Tsy hatramin' ny toko telo hihomehy ahy daholo.
Raha izany indray ary ny fihevitrao dia vilany tany hiantsampazana.
Vita gasy marin' ireny mamikitra amin' ny nentin-drazana.
Ary tsy hitanao angaha ity asan' izy mianakavy?
Isan' andro vaky izao hitanehana tambavy.
Ary tsy azoazonao indray ve ny mijery ity lapoaly?
E! E! toa miosomenan-dava toa ny ankizy be lagaly.
Sady vao omaly koa izahay no nifamalimaly.
Zaho nikiky taim-piraka no nahatonga anay niady.
Izany ve ramaharitr' afo no vilany halaina vady?
Ka izaho irery ihany izany no tena tia-drasotrobe?
Izay rehetra momb' ahy dia tsy mitempo afats' ise.
Ka inona ary no antony azafady mba lazao.
Maroba f' indrindra indrindra izato fahatsaranao.
Tsy mifidy enao na "gaz" na kitay na saribao.
Ary na ahantona aza enao ka tsy hapetraka amin' ny toko.
Dai afaka hanome sakafo, babonao tokoa ny foko.
Ka raha hoy aho nefa hoe, tsy tiako kosa kanefa enao?
Dia hiriko ny ho ela velona, fa tsy ho sotrobe toa izao.
Ary raha mitranga izany an, dia any ankady aho ni hianjera.
Ka tsy ahita izay ho fatiko hatramin' ny "brocanteur".
Ary raha hoy aho eny ary fa ekeko?
Dia takariko ny rindrina ary toky no homeko.
Ho tia anao tanterak' aho n' iza n' iza hanao ankaso.
Ninoninona ho laoka na "petit pois" na tsara maso.
Hanaja izay ho fatantsika tsy hitady fantan' afa intsony.
Dia na ory isika na finaritra na ho ritra na ho rony.
Raha tonga ny tsy hampoizina mety handratra an' ise.
Hotsinginiko avy hatran' ise tsy avelako hitete.
Tiko ianao rasotrobe saingy izao no zava-misy.
Efa fantatrao angamba fa voalazan' i Harilisy.
Voantso artista aho, ka mbola tsy afaka hanambady.
Ka ny mety sombiniako, any an-kafa aloha mitady.
Ka inona no ilainao hena-ritra? voanjobory?
Taovan-kena? inona ary e omeko anao fa tsory.
Tsara anie ny vao-maina, ary fy koa ny mihina-kena.
Fa tsy azo atao anefa hono ny mivadi-panekena.
Raha hiantso ahy i Heriniaina ary manaiky ahy i Josette.
Iza no tsy nahalala fa nanaiky aho sady nety.
Raha miangavy ahy i Niry, ka mitambezo ahy Nicolas.
Dia natolotro ny eny, fa tsy haiko ny nandaha.
Tsy mbola maina akory ve izay nihinanana dia hivadika sahady.
Satria momba ny olo-tina anie rasotrobe izay ho fofo-bady.
Tsy mety izany rasombiniaiko.
Nefa dia hirin' ny aiko.
Zao aky rasotrobe an, rahatr' izay ka rehefa vita ny adidiko era-nosy.
Dia amin' izay fotoana izay isika roa no hifampitositosy.
Ka ataontsika mivanaka hatramy sinibe-tany.
Ary maninona hoy aho rasotrobe no toa mitady hitomany?
Tandrify nentiny ihany iny ka izao no tenikely farany.
mbola manantena anao rasotrobe sy ireo taranany.
Raha ho avy izay tsy mety ka sendra tonga ny angano.
Dia tsy hana-bady intsony aho fa hanolo-tena ho haingo-trano.
Rajean Misitera
Les commentaires récents